Romans 13

1Aoka fanahy rehetra hankatoa ireo manam-pahefana ambony, fa tsy misy fahefana raha tsy avy amin’Andriamanitra. Ary ireo manam-pahefana misy dia efa voatendrin’Andriamanitra. 2Noho izany izay manohitra izany fahefana izany dia manohitra ny didin’Andriamanitra; ary ireo izay manohitra izany dia hahazo fitsaràna amin’ny tenan’izy ireo.

3Satria ireo mpanapaka dia tsy fampitahorana ho an’ireo asa tsara, fa ho an’ireo asa ratsy. Maniry ny tsy hatahotra ny iray ao amin’ny fahefana ve ianareo? Manaova ny tsara, dia ho deraina amin’izany ianao. 4Fa izy dia mpanompon’Andriamanitra ho anareo amin’ny tsara. Fa raha manao ny ratsy ianareo, dia matahora, satria tsy mitondra ny sabatra tsy amin’ ny antony izy. Fa izy dia mpanompon’ Andriamanitra, mpamaly ny fahatezerana amin’ilay manao ny ratsy. 5Noho izany dia tokony hankatoa ianareo, tsy nohon’ ny fahatezerana ihany, fa nohon’ny fieritreretana ihany koa.

6Noho izany dia mandoa hetra ihany koa ianareo. Fa mpanompon’Andriamanitra ireo manam-pahefana, izay miandraikitra izany zavatra izany tsy ankiato. 7Aloavy amin’ny tsirairay izay tokony ho azy ireo: mandoava hetra amin’izay tokony handoavana azy; mandoava fadin-tseranana amin’izay tokony handoavana azy; matahora an’izay tokony hatahorana; manajà an’izay mendrika izany.

8Aza manana trosa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavana ihany. Fa izay tia ny manodidina azy dia nahatanteraka ny lalàna: 9Maro ireo didy: ‘’Aza mangala-badin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra,‘’ ary raha misy didy hafa ankoatra ireo koa, dia voafehy amin’ity fehezanteny ity izany: ‘’Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.‘’ 10Ny fitiavana dia tsy mandratra ny manodidina; noho izany, ny fitiavana no fahatanterahan’ny lalàna.

11Noho izany, fantatrareo ny fotoana, fa efa fotoana hifohazanareo amin’ny torimaso sahady izao. Fa ankehitriny efa manakaiky noho izay ninoantsika tamin’ny voalohany ny fanavotana antsika. 12Mandroso ny alina, ary manakaiky ny andro. Noho izany andao hariana ireo asan’ny maizina, ary andao isika hitafy ny fiadian’ny fahazavana.

13Andao hizotra amin’ny lalana mahitsy, tahaka ny amin’ny andro, fa tsy toy ny amin’ireo firavoravoana tsy am-pahamendrehana na koa ny fahamamoana; ary andao tsy handeha amin’ny fahavetavetana na amin’ny filàna tsy voafehy, ary tsy ho amin’ny fifanoherana na fialonana. Fa mitafia an’i Jesosy Kristy Tompo, ary aza manome hirika ho an’ny nofo, mba hanomezana fahafaham-po ny filàny.

14

Copyright information for PltULB